<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>621</hymn_number>
<title>Ry Jeso be fitia! FFPM621</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso be fitia !
 Tariho izahay
 Mba tsy haniasia,
 Fa hiaraka Aminao,
 Indrisy ! ela loatra
 No nijanonanay
 Nanaram-po nihoatra
 Ny sitrapon'ny Ray.

[V2]
 Ry Tompo ô ! miarova
 Ny fiainanay etý,
 Izay fohy, mora miova,
 Fa tsy toy ny arý,
 'Zay ianteherana eto
 Mandalo avokoa ;
 Ny fo re no mba ento
 Hikambana Aminao.

[V3]
 Tariho hahalala
 Ny tianao hatao,
 Ka tsy hisalasala
 Handà izay halanao ;
 Mandatsaka ao an-tsaina
 Ny soa vitanao,
 Ka dia hikely aina
 Hanao ny sitrakao.</lyrics>
<author>J. Hullah</author>
</song>